Atrik’asa fanasongadinana ireo vokatra azo sy fametrahana paikady hampaharitra momba ny V.O.A.MA.MI

Hôtel Mega Vatsy, Kaominina/Distrikan’I Maroantsetra I, Faritra Analanjirofo.

✳️ Atrik’asa fanasongadinana ireo vokatra azo sy fametrahana paikady hampaharitra momba ny V.O.A.MA.MI na ny “Vondron’Olona an-toerana miara- MAnao tahiry sy MIfampindram-bola”

✴️ Notontosaina ny 19 sy 20 may 2023 tao Maroantsetra, Faritra Analanjirofo, ny atrikasa momba ny V.O.A.MA.MI izay natao mba hanasongadinana ireo zava-bita sy ny fomba fanao tsara hampaharitra izany.

✅Atrikasa nosokafan’ireo manampahefana avy ao Maroantsetra sy Mananara Avaratra izay notronin’ny Talem-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga avy ao amin’ny Faritra Analanjirofo ary nahitana ihany koa ny avy ao amin’ny AMPA/MPEB (Agence Malgache de la Pêche et de l’Aquaculture) avy aty Antananarivo.

???? Ny tanjon’izao atrikasa izao dia ny hahafahana mametraka ireo paikady sy fanamby mba hampiroboroboana sy hamoahana ireo tari-dàlana ary hanamafisana ireo tena anjara asa sy andraikitr’ireo mpiantsehatra eny ifotony rehetra (TIA V.O.A.MA.MI, Paysans relais, Union et Fédération) mba hampaharitra izany.

➡️ Izao no tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa izay nisy teo amin’ny Tetikasa SWIOFish 2 sy ny AMPA nanomboka ny taona 2020 izay nahafahana nanangana voalohany ny V.O.A.MA.MI tany amin’ny faritry ny helodranon’I Antongil.

➡️ Ny V.O.A.MA.MI dia mampihantra ny teknika izay hita fa mahomby mba hampianarana ireo mpanjono sy ny ankohonany amin’ny fitahirizana sy fampiodinana vola ho fanatsarana ny velontenan’izy ireo ary hahafahany ihany koa hanatsara ny asany eo amin’ny sehatry ny jono sy eo amin’ny sehapihariana hafa.

➡️ Miisa 4754 ny mpikambana ao amin’ny VOAMAMI ankehitriny hoan’ireo Distrika 2 izay voalaza etsy ambony izay miparitaka amin’ny Fokontany miisa 48 ary mahakasika Kaominina miisa 14.

???? Eto am-pamaranana dia hankasitrahana ny Tetikasa SWIOFish2, izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena nahafahana nanatontosa izao atrikasa izay naharitra 2 andro izao ary hantenaina ihany koa fa hitondra vokatra tsara hoan’ny fihariankarenan’ireo mpanjono sy ny ankohonany.

#MPEB#AMPA#DRPEB#Analanjirofo#ONG_MIARINTSOA##SWIOFish_2#Banky_Iraisam_pirenena#Helodrano_Antongil

Source MPEB

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *